Tantine Louisette: fanatanterahana ny zon’olombelona no hamongorana ny fahantrana

Reny mikatsaka ny fandrosoan’ny ankohonana sy ny manodidina azy i Louisette Rasendraharivololona na Tantine Louisette.

Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny asa sosialy indrindra amin’ny lafin’ny zon’olombelona izy.  » Miainga amin’ny fampahafantarana sy fanatanterahina ny zon’ny ankizy, ny zon’ny vehivavy ary ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny ny famongorana ny fahantrana »,hoy izy.

Nandrato fianarana momban’ny filozofia, fahalalana mahakasika ny tontolon’ny asa, fitantanana ary niasa tamin’ny orinasa manao asa soa sy miaro ny ankizy mania tany « belgique » nandritra ny folo taona izy. Niverina teto an-tanindrazana izy tamin’ny taona 1995 ka niasa niaraka tamin’ny mpitsara zaza tsy ampy taona tany Toamasina.

Nirona tamin’ny fitaizana ny fiarahamonina i Tantine Louisette. Manoloana izany, nanorina akany fampahafantarana ny zon’olombelona eny Ampanotokana izay toeram-ponenany izy. Ny masoivoho soisa no nanampy azy azy tamin’ny fampitaovana an’ny « akany Tiana ».

Ben’ny Tanana ny Ampanotokana teo aloha izy. Nandritra ny fitondrany, niezaka nampandroso ny kaominina Ampanotokana Mahitsy izy na dia nandalo krizy aza.  » Kely ny vola miodina ao amin’ny kaominina ary tsipotipotika ny tetibola omen’ny fanjakana. Ankoatra ireo, zara mandoa hetra ny vahoaka noho ny krizy 2009 nandalovan’ ny firenena ». Nisy ihany anefa ny foto-drafitra asa nitsangana sy fampandrosoana ny tanana, araka ny fanambarany.

Lynda A.