TAONA 2018 : Hanao izay fara-heriny ny fitondrana HVM

Nihena ny taha-pahantran’ny Malagasy. Nilaza ny Filohampirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA nandritra ny kabariny tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018, teny Iavoloha fa 70 % sisa ny Malagasy mahantra raha 92 % izany teo aloha. « Tsy nisy nahavita izany », hoy izy.  Nambarany ihany koa fa nanao izay fara-heriny ny fitondrana nentiny tamin’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’izany ny fiakaran’ny tahan’ny Malagasy niala tao anatin’ny fahantrana ho 18 %.

Hanomboka hiasa

Nanamafy ny Filohan’ny Repoblika Malagasy   fa  « tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana » amin’ity taona 2018 ity. Nampanantena ny vahoaka Malagasy ihany koa izy fa hanomboka ny tetikasa fampidirana jiro amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina isan-tokantrano. Fotoana hiafaran’ny fitantany firenena ity taona ity kanefa mbola sahy nilaza izy fa hanomboka ny tetikasa hamahana ny olan’ny rano any Atsimo.