Nihena ireo mpilatsaka an-tsitrapo manome ra eny amin’ny trano fitehirizan-dra ao amin’ny HJRA. Tsy maharaka ny filan’ny marary noho izany ny ra voatahiry. Ny tsy fanomezana ny zon’izy ireo no antony voalohany amin’izany dia ny solon-tsakafo ho 1200 Ariary monja. 300 Ariary no mba omen’ny tomponandraikitra. « Ireo ra omen’ny mpilatsaka an-tsitrapo anefa no tena manampy betsaka ny ivon-toerana », hoy ny mpitsabo Fanja ANDRIANAVALIJAONA. Araka ny fanazavana voaray, noho tsy fisian’ny vola no mahatonga izany. Nilaza anefa ny mpitsabo fa nahoana no manamboatra foto-drafitra asa kanefa lazaina fa tsy misy vola.
Etsy ankilany, na ny solika ho entina maka ra rehefa misy fanomezan-dra maimaim-poana ataon’ireo fikambanana maro samihafa aza tsy omen’ny mpitantana.
Manoloana izany, manaitra ny tomponandraikitra voakasika izany ireo mpiasa ao amin’ity sampandraharaha ity. Mitaky ny fangaraharana amin’ny fitantanana ireo mpitsabo ary mangataka ny fanomezana ny zon’ny mpiasa na ny “interessement” ary ny solon-tsakafo ara-dalana an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo.
Marihina fa tsy andoavam-bola ny fangalana ra eny amin’ny trano fitehirizan-dra.