VIH/SIDA: Tokony manao fitiliana daholo ny rehetra, indrindra ireo tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona

Fihetsika kely tsy eritreretina dia mety hahazoana ny tsimokaretina. Tsy avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ihany no ahazoana ny tsimokaretina VIH/SIDA fa mety azo amin’ny alalan’ny fomba maro, toy ny fitsindromana rongony  ka mampiasa fanjaitra efa nifandimbiasan’ny  olona maro,  ny fanaovana “tatouage”  ka tsy voadio ny fitaovana ampiasaina, ny fanetezana volo any amin’ny mpanety ka tsy voadio ihany koa ny “areza” ampiasaina, araka ny fanazavan’i Rasamiharimalala Volana, rasazy ao amin’ny fikambanana Hygeia Médical. Nambarany fa anisany mampirongatra ny VIH/SIDA eto amintsika ihany koa ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lahy sy lahy. “Manao firaisana ara-nofo amin’ny lavaky ny maloto izy ireo ary misy ratra aterak’izany. Iny ratra iny no vavahady idiran’ny tsimokaretina satria mifindra amin’ny alalan’ny ny rà ny SIDA”, hoy izy. Nilaza i rasazy Volana fa  betsaka ireo tanora mitondra ny tsimokaretina amin’izao fotoana. “ Tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona no betsaka voan’ny SIDA satria amin’ny maha tanora dia manadrakandrana”, hoy i rasazy. Zava-dehibe tokoa hoy izy ny fitiliana mba  ahafantarana fa mitondra ny tsimokaretina. “Ny ankabeazan’ny olona mieritreritra foana fa hoe olona mijanganjanga, miovaova olona iarahana, miaraka amin’ny mpivarotena no voan’ny SIDA. Fihetsika tsy eritreretina dia hahazoana ny tsimokaretina. Mifindra ao amin’ny zaza ao am-bohoka ihany  koa ny SIDA raha toa ka  mitondra ny tsimokaretina ilay raim-pianakaviana ary mamindra amin’ny renin’ilay zaza. Tokony manao fitiliana daholo ny rehetra, indrindra ny tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona”, hoy hatrany izy manentana ny rehetra hazoto hanao fitiliana sy tsy tokony ho menatra hanao izany satria mijanona ho tsiambaratelo  eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona voatily ny valin’ny fitiliana. Fikambanana mpanao asa soa amin’ny lafiny fahasalamana, indrindra ny fahasalamana ara-pananahana ny Hygeia Médical. Nanomboka  ny taona 2023 no nisokatra ny ivon-toerany eny Andraharo. Olona 30 no nanaovan’ny fikambanana fitiliana momba ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tao anatin’izay fotoana izay ka ny roa (02) tamin’ireo no mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA. Alefan’ny fikambanana any amin’ny toeram-pitsaboana mandray an-tanana ireo olona voan’ny SIDA  izay olona fantatra fa miabo ny valin’ny  fitiliana ary maimaim-poana ny fitsaboana. Nomarihan’i rasazy Volana fa tsy sitrana tanteraka ny aretina fa rehefa mahazo fitsaobana sahaza kosa ilay olona dia “tsy mamindra intsony ary mihena ny herin’ny tsimokaretina hamindra any amin’ny hafa”.   Raha ny vinavinan’ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana misahana ny SIDA (ONUSIDA) dia  tafiakatra 70.000 ny Malagasy  mitondra ny VIH ny taona 2022. Nahazo fitsaboana (antirétroviral) ny 18 % ny tranga.

Manome ohatra ny olom-pirenena ny mpanao gazety

Nanatanteraka hetsika fanaovana fitiliana momba VIH/SIDA ny  tambazotran’ny mpanao gazety afrikanina misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN), sampana eto Madagasikara ny 17 septambra 2024. Teny amin’ny biraon’ny fikambanana Hygeai Médical, Andraharo no nanaovana izany. Natao ho an’ireo mpanao gazety mivondrona ao amin’ny fikambanana ny fitiliana saingy afaka nanao izany ihany koa ireo mpanao gazety na tsy mpikambana aza. “Misy sampana vitsivitsy ato anatin’ny REMAPSEN. Misy sampana momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana, SDSR na DSSR no ahafantarantsika azy. Fantatsika fa loza mitatao ny VIH/SIDA ka tsy mijanona ho mpanao gazety ihany izahay fa maneho ohatra ho an’ny olom-pirenena rehetra ihany koa.  Zava-dehibe ny afahantarana ny mikasika ny tena”, hoy i Rakotondratsimba Vonona, Filohan’ny fikambanana. Miantso ny fikambanan’ny mpanao gazety manerana ny Nosy izy mba hanentana ny mpikambana hanao fitiliana. “Isika mampahafantatra, manentana ny olona  nefa isika tsy mahafantatra ny tenantsika”, hoy izy manamafy ny fanentanana ho an’ny mpanao gazety. Fiarahamiasa amin’ny firaisamonim-pirenena « Forum Génération Egalité » na FGE ity hetsika nokarakarain’ny REMAPSEN ity.

Lynda A.