Nitokona avokoa ireo mpiasa rehetra ao amin’ny orinasa mpamokatra entana vita amin’ ny plastika Vitaplast etsy Anosizato. Naneho ny tsy fahafaliam-pony izy ireo mahakasika ny didim-panjakana mandrara ny fampiasana harona plastika izay ampiharina manomboka amin’ ny volana oktobra ho avy izao.
Mangataka ny fanemorana io daty io ireo mpiasa miisa 800 ao amin’ ity orinasa ity ary mitady marimaritra iraisana amin’ ny fanjakana. “ Ho very asa avokoa izahay raha mihatra io didy, aiza indray izahay no ahita asa.”, hoy ny solontenan’ ireo mpiasa. Tandindomin-doza ireo miasa amin’ ireny orinasa mpanodina vokatra vita amin’ ny akora plastika ireny satria hijanona hatreo ny famokarana raha toa ka ampiharina io didim-panjakana io.
Tsy izy ireo ihany no iajadian’ ny olana fa anisany iantefany ihany koa mpivarotra ireo vokatra . Noho izany, tsy manaiky ny fanafoanana ny fampiasana fonosana plastika izy ireo ka mangataka amin’ny fitondram-panjakana hitady vahaolana mifanaraka amin’ izany, hoy hatrany ny solontenan’ ireo mpiasa.
Lynda A.