Vondron’ny Mpitolona Magro : Hampivondrona ny mpiandany an’i Marc Ravalomanana.

Ho an’ny mpiara-dia ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, enin-taona izao no nitakiana teny amin’ny Magro sy nanohanana ny foto-kevitra ijoroany. Tapitra iny ny fidinana an-kianja fa mbola mitohy kosa ny fanohanana an’i « dada ». Nipoitra tao anatin’izany ny fikambanana Vondron’ny Mpitolona Magro  na ny VMM. “Tsy antoko politika fa fikambanana ary manohana ny hatrany an’i Marc Ravalomanana ny VMM”, hoy ny mpandrindra ny fikambanana, Jean Louis Rasoloarimanana.

Hampivondrona ireo miandany sy hiandany ny filoha teo aloha no tena tanjon’ny VMM ka manerana ny Nosy no anatanterahana izany ary   kendrena hatramin’ny taona 2017 no hahazoana ny maro an’isa. Nampiantso mpanao gazety mihitsy ity farany nanao izany fanambarana izany.

“Ny fitomboan’ny tanjaky ny mpanohana ny Filoha Marc Ravalomanana manerana an’ i Madagasikara no vaindohan-draharaha anay manomboka izao”. Efa manomana sahady ny paikady irotsahana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018 ve i Dada ka ampiasaina avokoa ny fomba rehetra?

Manoloana izany, mampiomana ireo any amin’ny faritra, distrika, kaominina, fokontany ny VMM fa “ho avy hanangana ny sampana ny mba hanavotana ny firenena sy ho fitsinjovana ny mpiray tanindrazana”.

Anisany mitaky ny fibodoan’ny Frantsay ireo Nosy kely manodidina an’i Madagasikara, Iles Eparses, ihany ny fikambanana.” Vonona izahay hitondra ny anjara biriky eo amin’ny fanentanana ny vahoaka Malagasy mba hiray feo mahakasika izany. Hitondra ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena na fitsarana iraisam-pirenena mihitsy aza raha ilaina izany”.

Misy ny fandrindrana asa ao amin’ny VMM. Ahitana vondrona maro samihafa toy ny vondrom-bavaka, vondron’ny zokiolona, vondron’olona manana fahasembanana, vondron’ny mpanabe… Mizara fito ny “ commission misahana ireo vinan’asa tahaka ny fiadiana amin’ny tsy rariny na ny tsindry hazo lena na kolikoly, fanondrotana ny mpandraharaha teratany Malagasy, fikajiana ny tontolo iainana ary ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Lynda A.