ZON’OLOMBELONA : Mionona amin’ny fanomezana vonjy tavan’andro ny olona rehefa ratsy ny kalitaon’ny fanabeazana

Nankato sy nanasonia ny fifanarahana iraisampirenena momba ny zon’olombelona i Madagasikara. « Manana andraikitra hanatanteraka izany ny fitondram-panjakana », hoy Rakotomanga Herimahefantsoa, filoham-boninahitry « mouvement chrétien  des cadres professionnels ». Voafaritry ny andininy faha-6 momba ny zo sivily sy politika ao anatin’io fifanarahana io ny zo hiaina. « sampana maro no resahana ao toy ny tsy fisian’asa. Rehefa tsy miasa dia tsy afaka misakafo, tsy afaka miasa rehefa tsy misakafo, tsy afaka mitsabo tena rehefa tsy manana asa. Taorian’ny covid-19 nefa  betsaka ny very asa. Tsy fantatra hoe ahoana no hanampiana ireo very asa. Mangataka fanjakana hametraka lamina, amin’ny fomba haingana fa efa betsaka no tsy misakafo, tsy afaka manao ny fiainana andavanandro manokana », hoy i Shariff Bonnie, filohan’ny ONG ODIMA. Nambarany ao anatin’ny zo fototra ihany koa ny kalitaon’ny fanabeazana. « Tokony ho jerena izany satria rehefa ratsy ny kalitaon’ny fampianarana dia tsy afaka mandinika lavitra ny olona, tsy afaka mifaninana amin’ny firenena hafa satria izay fahaizana izay no tsy hananany.  Voatery mionona amin’ny  fanomezana vonjy tavan’andro, PPN. Tsy hoe ratsy izany fa mila mijery vahaolana maharitra », hoy izy. Nohamafisin’ny filohan’ny fikambanana « vie neuve », Andrianady Bakoly fa ao anatin’ny zo fototra ny zo hisakafo, ny zo mahazo rano.  Zava-misy ankehitriny anefa dia mampiteny ny moana ny fahatapahan’ny famatsiana ranon’ny JIRAMA. Eo ihany koa tsy fahampian-tsakafo mahazo ireo mponina any Atsimo. Na eto Antananarivo Renivohitra aza dia maro ireo tsy misakafo afa-tsy indray mandeha isan’andro. « Ny zo fototra ao anatin’ny lalam-panorenena dia tsy misy voahaja  eto amintsika ka hanentanana ny mpitondra fanjakana fa aza variana amin’ny politika fa zo ara-ekonokomika sosialy sy ara-koltoralin’ny olombelona no tena fototra satria ny olona mila misakafo, mitafy, manana trano ara-dalàna manaja ny fahamendrehana », hoy izy.

Lynda A.